Actualités

Lycée Moderne Ampefiloha Nohatsaraina ny toerana fanaovan’ny mpianatra fikarohana


  • Sabotsy 19 Novambra 2016

Nohatsaraina ny foibe mitahiry ny antontan-kevitra eo anivon’ny Lycée Moderne Ampefiloha hahafahan’ireo mpianatra miisa 2.000 manovo fahalalana ao an-toerana manamora ny fanaovana fikarohana.

 

  Ny orinasa Vivo Energy no nandray an-tanana ny asa sady nanolotra solosaina miisa telo ihany koa niampy fanaka mitentina 75 tapitrisa Ar. Raha ny fanazavan-dRazakaboana Johanne,  tompon’andraikitra iray eo anivon’ity orinasa   ity dia tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana omena ny mpianatra sahanin’izy ireo eto amintsika izy io  miaraka amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ankoatra izay dia mbola  vonona ny hanohana ilay tetikasa mpianatry ny lycée mendrika indrindra notanterahina nanomboka ny taona 2015 lasa teo izy ireo ka nampanantena ny hanome hafaliam-po mitentina 5 tapitrisa Ar ho an’izay mpianatra mendrika indrindra. Nisy ny  sonia fifanekem-piaraha-miasa niarahan’izy ireo tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena omaly, lanonana notanterahina tetsy Anosy. Fantatra tamin’izany ihany koa moa fa hirotsaka an-tsehatra hanentana ireo  ankizilahy mpianatra eto an-drenivohitra ny tetikasa Sahala hahafahana manatsahatra ny ady hatao amin’ny herisetra izay mahazo ireo vehivavy fito amin’ny folo manerana ny Nosy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT