Afaka amin’ny fahanteran’ny tranomboky sy ireo karazam-pitaovana ilaina ao anatiny ireo mpianatry ny Lycée Moderne Ampefiloha miisa 2.000. Nahazo tranomboky vaovao manara-penitra izy ireo, fotodrafitrasa vao notokanana omaly.
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Vivo Energy no angady nanana sy vy nahitana azy ity. Maromaro ihany ny asa notontosaina. Ankoatra ny fampidirana fanaka vaovao, toy ny seza sy ny latabatra dia nolokoina sy nohavaozina tanteraka ihany koa ny efitrano iray manontolo, narahin’ny fanolorana solosaina miisa telo vaovao, miaraka amin’ny « connexion » internet. Tanjona, araka ny fanazavan-dRazakaboana Johanne, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Vivo Energy, ny manampy ny mpianatra amin’ny fikarohana ataony, indrindra fa ho an’ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana, hanatevenan’izy ireo ny fahalalana efa ananany. Nohamafisin-dRakotoarison Anathol talen’ny kabinetran’ny minisitera ny tombontsoa mety ho azon’ny mpianatra amin’izany izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana imasoan’ny minisitera ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.