Actualités

Lycée français Ambatobe Mpiasa 140 nanao fitokonana fanairana


  • Alarobia 05 Febroary 2020

Nanatanteraka hetsika fanairana teny amin’ny Lycée Francais Ambatobe, omaly, ny mpiasa miisa 140, frantsay sy Malagasy.

 

 

 

Nanapa-kevitra ny hanapaka ny asany mandritra ny ora iray ireo mpiasa ao anivon’ny Lycée Français de Tananarive (LFT) sy ny EGD, izay ivondronan’ireo sekoly sy lisea frantsay eto Madagasikara. Ity hetsika ity dia natao hanairana ny tompon’andraikitra eo anivon’ity lisea ity sy ny masoivoho frantsay miasa eto Madagasikara, mahakasika ny raharaha nahavoarohirohy lehilahy iray Malagasy, mpiasan’ny Lycée Français, ka nahatonga azy hihidy vonjimaika eny am-ponjan’Antanimora, nanomboka ny 27 janoary lasa teo. Ny anton’ny hetsika dia ho fiarovana io mpiasa migadra io. Tao anatin’izay fotoana izay mantsy dia voalaza fa nisy fitsipahan’andraikitra nataon’ny tompon’andraikitry ny LFT. “Raha niaro hatramin`ny voalohany izy dia mety tsy ho tonga amin’izao”, hoy ny loharanom-baovao. Ny tanjona dia ny hanetsehana ny ambasady frantsay handray andraikitra. Raha tsy misy fepetra raisina dia hanao “brassard” fotsy ireo mpiasa, mba ho mariky ny firaisankinan’ny mpiasa rehetra. Ny teo anivon’ny fitantanana ny LFT moa dia tsy nety naneho hevitra mahakasika ity raharaha ity, na dia efa niandry ora maro aza ireo mpanao gazety maro tonga teny an-toerana

 

Mpianatra namoy ny ainy

Raha tsiahivina, tamin’ny volana jona 2019 no nitranga ny tantara, nandritra ny fanadinana “brevet des colleges”. Nisy ankizilahy teratany koreanina mpianatr’ity lisea ity nihetsika aretina tao amin’ny tokotanin’ny lisea, ka nindaosin’ny fahafatesana. Teo am-piravana izy no nitsipaka tampoka. Voalaza fa nanao « rupture d'anévrisme” izy. Maro ny olona no nahatazana azy nitsipaka. Nahatazana, satria tsy tena hoe teo akaikiny. Ray aman-dreny tonga naka mpianatra, mpianatra ary ilay “surveillant” (sécurité) iray ihany koa anisany. Ity farany no notanana ho tompon’andraikitra. Ny antony, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao, dia tsy sahy niala teo amin’ny toerany ity “surveillant” ity  na nahita an'ilay ankizy nitsipaka aza, satria andraikiny, hoy izy, ny fiarovana ny sekoly. Ny natahorany dia sao misy olona manararaotra mandritra ny fotoana hamonjeny an'ilay ankizy lahy. Noroahan`ny LFT aloha ity mpiasa ity na dia voalaza aza fa efa niaiky ny hadisoany ilay mpitsabo mpanampy, izay teratany frantsay, hoe : tsy nanao izay faraheriny hamelomana an'ilay zazalahy namoy ny ainy. Raha ny loharanom-baovao voaray ihany koa dia nodorana ny razan’ilay zaza namoy ny ainy, 48 ora taorian’ny nahafatesany ka tsy nisy fizahana (autopsie) azo atao intsony.

 

Raharaha ezahina saronana

Araka ny loharanom-baovao hatrany dia maro ny zavatra tsy mitombina. Tao anatin’ny andraikiny mihitsy ilay “surveillant” no voasaringotra tao anatin’ity raharaha ity. Tsy afa-po moa ny ray aman-drenin`ilay zazalahy, satria tsy ilay mpiasa no tiany hizaka ny vokany fa ny LFT izay noheveriny fa nanao antsirambina tanteraka. Mbola manohy mitaky ny rariny foana ny rain’ilay zaza hatramin’izao.

Tsy rariny

Ankehitriny, raha ny loharanom-baovao hatrany, dia maromaro ny malagasy tompon’andraikitra "madinika" atao misolo vaika ny akalana, nefa ireo tena lehibe teratany vahiny, tsy misy voakitika amin’ity raharaha ity na dia tafiditra ao anaty fitoriana aza.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT