Very avokoa ireo “tablettes” niisa 50 avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ho an’ny mpampianatra ao amin’ny lycee Brickaville. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny talen’ny fampianarana Atsinanana,
dia nitranga ny alin’ny 31 desambra 2015 nifoha ny 01 janoary 2016 ny fahavakisan’ny efitrano nisy ireto “tablettes” ireo, raha natory be vokatry ny hamamoany noho ny fety ny mpiambina ny lycee Brickaville. Tsy azo tamin’ny findainy kosa ny lehiben’ny Cisco Brickaville sy ny provizera lefitra mpisolo toerana noho ilay tompon-toerana lasa nisotro ronono, raha nezahina nanontaniana mikasika ity raharaha tao Brickaville ity. Ny teo anivon’ny zandary any an-toerana misahana ny raharaha kosa dia tsy mahita soritra fahavakisan’ilay efitrano nitehirizana ilay “tablettes”. Amin’ireo mpanao fanadihadiana dia nosokafana tamin’ny fanalahidy ny efitrano, ary nosafidiana manokana ireo “tablettes” satria tsy nisy nandrombinana ireo solosaina sy ny fitaovana hafa miaraka aminy ampiasain’ny sekoly nandritra ilay halatra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.