Mihasimba hatrany amin’izao fotoana izao ny efitranon-tsekoly ao amin’ny lycée Andohalo. Tery ihany koa raha araka ny fantatra ary mila tsy haharaka ny isan’ny mpianatra intsony.
Mba hahafahana mamaha ny olana dia nandray an-tanana ny asa fanamboarana ireo maintimolalin’ny sekoly. Taorian’ny fanaovana rarivato ny tokontanin-tsekoly dia niroso tamin’ny fanamboarana “espace culturel” vaovao indray izy ireo izay nomeny ny anarana hoe : efitrano gasy tsara. Notokanana tamim-pomba ôfisialy omaly ny foto-drafitrasa, lanonana natrehin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy. Entina hanampiana ny mpianatra amin’ny fanitaram-pahalalana tokony hataony ny foto-drafitrasa raha eo ihany koa ny resaka fialam-boly. Nifanandrify an-dalana indrindra tamin’ny datin’ny 14 oktobra omaly, nihirana voalohany ny hiram-pirenena Malagasy teto amintsika moa ny lanonana ka nisy ny omby efatra natolotry ny maintimolalin’ny sekoly ho nofon-kena mitam-pihavanana. Nitohy tamin’ny kaonferansa niarahana tamin’ny profesora Raymond Ranjeva ny lanonana, tao anatin’ilay teny filamatra hoe : lycée Andohalo, loharanon’ny olo-manga.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.