Mitombo isa hatrany ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny fitaingenana môtô scooter eto amintsika, indrindra fa ireo mandeha mafy loatra tsy mahafehy ny lalŕn'ny fifamoivoizana.
Tovolahy iray manodidina ny 30 taona indray mantsy no namoy ny ainy teo no ho eo teny Ankazomanga ny sabotsy maraina lasa teo. Nifanena tamina fiara hundai iray avy any Antanimena ho any Ankazomanga io môtô io raha avy nihodina teo amin'ny rond point lalam-baovao hihazo an'Ankazomanga kosa ilay fiara. Môtô roa izy ireo no nifanenjika sy nirifatra mafy ka ilay iray tafiditra avy hatrany tany ambany kodiaran'ilay fiara. Vokany, vaky ny lohan'ilay nitondra azy, ary teo no ho eo ihany dia afaka ny ainy. Ilay iray kosa tapaka ny tongony ary mbola niaina na dia naratra mafy aza ka nentina avy hatrany tany amin'ny hopitaly. Vetivety monja moa dia tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana, naka ilay mpamily sy nandamina ny fifamoivoizana. Niteraka fitohanana vetivety teny amin'iny faritra iny mantsy ny fisian'ity lozam-pifamoivoizana ity na dia vao tamin'ny 5 ora sy 20 minitra maraina aza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.