Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tamin’ny lalana «Boulevard de l’Europe” mialoha ny handikana ny lalamby eny Soanierana
. Feon-javatra nidoboka mafy no nanaitra ny manodidina omaly tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro. Fiara kamiao marika JAC nirimorimo fandeha no nifaoka fiara 4x4 Ssangyong nijanona teo amoron-dalana avy eo nitrongy taxi marika Renault 19 sendra nijanona teo an-tsisin-dalana sady nifaoka ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra teo anoloany. Vehivavy iray sendra nandalo no namoy ny ainy tamin’izany, ramatoa roa hafa naratra. Fiara telo no simba. Nandao avy hatrany ny toerana nitrangan’ny loza ny mpamilin’ilay kamiao JAC vao tafavoaka tao anaty fiara izy, raha iny nifamonjy nibata ireo niharam-boina hoentina hamonjy hopitaly ny rehetra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.