Actualités

Lozam-pifamoivoizana teny amin’ny By-pass Nipotsaka ny atidohan’ilay tovolahy


  • Alatsinainy 01 Febroary 2016

Nandriaka ny ra, potika ny fiara ! Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny By-pass Ambohimangakely ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny valo ora alina.

 

 Fiara kely, Golf, no nifatratra tamina kamiao mitarika, nijanona teo amoron-dalana manakaiky ny toby mpaninjara solika iray eny an-toerana. Potika tanteraka ilay fiara kely, vokatry ny hamafin’ny dona. Tovolahy iray, nipetraka teo amin’ny seza aoriana, no maty tsy tra-drano, vaky loha tao anatin’ny loza ary tena nipotsaka mihitsy ny atidohany. Tanora tokony hamonjy asa any Toamasina amin’ity herinandro ity izy io. Ny telo ambiny, voalaza fa naratra mafy ihany koa. Nandeha mafy ilay fiara kely, raha tombanana amin’ny fahapotehany. Mety nisy sakana nipoitra tampoka tsy nahafahany niala ara-potoana ilay kamiao mitarika, nijanona teo antsisin-dalana, hany ka tafatsofoka tao ambany ilay fiara kely.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT