Tsy misy ahiana ny ain’ny Depiote Robert na nisy folaka aza ny tanany sy ny tratrany ary voadona ny lohany fa ny vadiny no voa mafy noho ny ratra sy dona mafy nahazo ny lohany ka nitarika ny tsy fahatsiarovan-tsaina.
Afak’omaly tamin’ny 3 ora sy sasany no niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny Depiote voafidy tany Mananara Avaratra. Nandeha môtô ity solombavambahoaka ity niaraka tamina vehivavy iray sy ny vadiny.
Ity farany izay andefimandrin’ny olom-boafidy no tena voa mafy, raha ny filazan’ny loharanom-baovao tany an-toerana. Tsy nahatsiaro tena izy raha nalefa fiaramanidina manokana niaraka tamin’ny depiote Robert nihazo ny renivohitra, omaly maraina, na efa nanezaka araka izay tratrany aza ireo mpitsabo tao amin’ny hopitaly manarapenitra Toamasina taorian’ny loza.
Voalaza moa fa vokatry ny fandehanana mafy tamin’ny fiolahana kanefa nisy fiara lehibe nitsidika tampoka no nahatonga ny loza, teo amin’ny 23 km avy any Toamasina ho any Fenoarivo Antsinanana lalam-pirenena faha-5. Tafatsoaka soamantsara ny fiara vaventy izy ireo saingy nivoaka ny sisin-dalana ny môtô ary notatazan’ny tangorona vatokely ka nampisosa lavitra ity kodiaran-droa.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.