Actualités

Lozam-pifamoivoizana Mahafaty ankizy 10 isan’andro


  • Alakamisy 03 Novambra 2016

Mahatratra folo isan’andro raha araka ny tatitra azo omaly ireo ankizy mpianatra mamoy ny ainy manerana ny Nosy vokatry ny lozam-pifamoivoizana

. Tafakatra 3.500 isa izany manerana ireo firenena 182 izay mitana ny 99 %-n’ny mponina maneran-tany.  Ireo ankizy telo ka hatramin’ny 16 taona no tena  mahita faisana amin’izany, antony nanosika ny fikambanana “Action Based Community Development” eo anivon’ny Total Madagascar, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny sampandraharahan'ny firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS),  hanatanteraka ilay tetikasa antsoina hoe : “En route pour ta sécurité”. Nampahafantarina ny mpanao gazety omaly ny fisian’izany, ka ny tanjona dia ny mba hahafahana miaro ny ain’ireo ankizy mpianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra. Kaominina miisa 28, ao anatina distrika miisa valo no hanombohana ny tetikasa amin’izao fiandohany izao, ka hisy ny fametrahana  torolalana momba ny fifamoivoizana, manerana ireo kaominina ireo. Hisy koa ny peta-drindrina maro samihafa, hahafahan’ny ankizy mpianatra rehetra mitandrina. Arahina fanentanana sy fanabeazana manokana ho an’ny ankizy mpianatra mihitsy izany. Nantitranterin’ireo tompon’andraikitra rehetra nandray fitenenana moa fa voasokajy ho marefo ny ankizy ka tsy maintsy arovana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT