Actualités

Loza voajanahary Dibo-drano any Antsiranana


  • Talata 22 Janoary 2019

Nihotsaka ny tany teto Antananarivo ary namoizana ain’olona am-polony mahery sy traboina dimampolo mahery tetsy Andohalo sy Tsimbazaza vokatry ny ora-mikija nateraky ny oram-be.

Hatramin’ny omaly, dia mbola nisy olona 4 nokarohina tetsy amin’ilay toerana lasibatry ny fianjeran’ny hazobe sy ny tany miaro vato, raha toa ka efa tafakatra 13 ireo razana hita tamin’ireo loza niseho. Dibo-drano tanteraka ny ankamaroan’ny tanàna any amin’iny ilany avaratry ny Nosy tahaka ny any Antsiranana, Ambilobe, Ambanja, Nosy Be… amin’izao fotoana izao vokatry ny rotsak’orana be mamely. Misy ny tangoron-drahona matevina miteraka oram-be amin’izao satria efa tafiditra amin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka isika eto Madagasikara, ary efa mananontanona ny rivodoza. Manomboka tapaka sy potika tanteraka ny ankamaroan’ny lalana. Maro ny fianakaviana voatery mifindra trano, ny mpitatitra sahirana, ny asa fivelomana mikatso, maro ny trano dobo. Mijanona tsy mianatra ny mpianatra rehetra ao amin'ny Cisco Antsiranana sy Nosy be nanomboka omaly noho ny oram-be sy rano miakatra. Mijanona toy izany ihany koa ny fiampitana eo Ankify mankany Nosy Be. Ny Talio no mandrafitra ny mety ho toetry ny andro eto Madagasikara, ho an’ny anio talata 22 janoary, raha ny fampitam-baovaon’ny Sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro. Ny tapak’andro maraina ho an’ny faritra DIANA, Sofia, Boeny, Betsiboka, Melaky, morontsirak’i Menabe, dia mety hanoram-baratra. Hanorana ihany koa any SAVA, faritanin'i Toamasina, Vatovavy-Fitovinany, Atsimo Atsinanana. Rahona miaro orana kosa ho an’ny faritra sasany: faritanin'Antananarivo, ilany atsinanan'i Amoron'i Mania, Haute Matsiatra, Ihorombe. Ho maina ny andro amin’ny ankampobeny ho an’ny faritra sisa. Ny tapany hariva kosa dia mety ahitana oram-baratra saika Manerana ny Nosy. Ho an’ny maripana ambany dia 18°C : Vakinakaratra, Antananarivo. Hahatratra 33°C kosa ny ambony indrindra, dia any Antsohihy, Maevatanana, Mahajanga.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT