Actualités

Loza tao toamasina II Zazakely iray no namoy ny ainy


  • Alarobia 25 Janoary 2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin’ny distrikan’i Toamasina II omaly maraina tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany teo ho eo.

Taksibrosy iray avy any amin’ny distrikan’i Vavantenina ho any Toamasina izay voalaza fa nandeha mafy sy niala lavaka, no nivadika tampoka. Teo Andranotsara-Ampasimbe Onibe, no nitrangan’izany. Vokany, zazakely iray manodidina ny 2 taona eo ho eo no namoy ny ainy tsy fidiny. Ankoatra izay dia mpandeha 8 hafa ihany koa no naratra mafy. Efa notazonina ao amin'ny zandarimarim-pirenena any an-toerana moa ny mpamily hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay . Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ao amin’ny hopitaly kosa ireo niharam-boina. Misy moa ireo tapa-tanana raha misy ihany koa ireo naratra teny amin’ny lohany.
Pati
Legende : Voatsindry raha araka ny fantatra no antony nahafaty ity zazakely ity
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT