Nifanindran-dalana tamin’ny fahalasanan’ny mpanakanto Dadah tao amin’ny tarika Mahaleo dia fantatra ihany koa omaly alahady fa nalefa niatrika fitsaboana maika atsy amin’ny nosy La Reunion
ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Atoa Tianarivelo Razafimahefa.Raha ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana dia nianjera avy teo ambony sehatra tao amin’ny kianja monisipaly Ambatolampy-Antsirabe omaly alahady ny tenany.Naratra mafy ity minisitra ity noho izany ka misy fitiliana lalindalina kokoa tsy maintsy atao amin’ny vatany mba hahafantarana nytena manjo azy marina.Na izany aza anefa dia tsy misy atahorana ny ainy, hoy hatrany ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny governemanta.Tsy nisy fanambarana mazava kosa anefa hoe rahoviana no afaka hiverina handray ny asany ity minisitra ity, na hoe iza no hisolo vonjimaika ny toerany izay tena saropady tokoa satria anisan’ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena.Raha ny fanafantarana azy dia olona tomady sy matanjaka ny minisitra Tianarivelo Razafimahefa, izay anisan’ny tanora ao anatin’ny governemanta.Miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ny rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.