Actualités

Loza sesilany eto Madagasikara Tonga ihany koa ny ny andiam-balala


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Ahitana andiam-balala (valala kijeja) maro amin'iny lalana mankany Belo/Tsiribihina(Toby Betesda- Allée des Baobabs-Bekonazy) iny amin'izao fotoana.

 

 


Manentana sy manetsika ireo tompon'andraikitra tandrify amin'ny famongorana izany mba handray andraikitra haingana fa ahiana hamotika ireo fambolen'ireo tantsaha any amin'iny faritra iny ny fisian'ireo valala ireo, hoy ny fampitam-baovaon’ny avy amin’ny Faritra Menabe ny faran’ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nisedra ny voka-dratsin’ny andro ratsy ny volana janoary teo, narahan'ny hafanana be mananika ny 40°C ny faritra Menabe, ary io fa tafihin’ny andiam-balala kijeja indray. Tsy mbola hary elatra ireo valala ireo raha ny sary hita ny faran’ny herinandro teo, ary izy amin’izay endriny izay no moramora kokoa ny mamono azy satria manafaingana ny fahalavan’ny elany sy ny fanatodizany ny toetr’andro mafana tahaka izao. Misesisesy mihitsy ny loza teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny fihotsahan’ny vato teny Ampamarinana, ny rano be saika namely izay samy tratra na tany avaratra na andrefana na atsimo. Ny kitrotro mamono olona hatrany amin’ny 300 mahery, ary mbola manampy trotraka ireny ny asan-jiolahy andro aman’alina. Ny fakana an-keriny moa dia zary tsy vaovao amin’ny sofina ary tsy ny karana irery intsony no lasibatra, fa ny teratany. Mety misy ny ezaka ataon’ny fanjakana, saingy tsy voafehy sy tsy tena mbola misy vahaolana mazava sy maharitra eo anatrehan’ireny loza sy fahasahiranana samihafa ireny. Ny eo tsy voafehy, kanefa dia miseho hatrany ny loza hafa. Tsy efa sokajiana ao anatin’ny firenena tena tra-doza ve i Madagasikara ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT