Tonga teny amin’ny hopitaly HJRA avy hatrany omaly hariva vantany vao nahare ny loza nateraky ny fifanosehana teny Mahamasina ka nahafatesana sy naharatrana olona ny avy ao amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA).
Nitarika ny delegasionina Atoa Olivier Randrianarisoa Lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna; nankahery ireo niharam-boina no sady nitsapa alahelo ireo namoy havana aman-tsakaiza izy ireo .Nirahan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana izahay hitodra ny teny fampiononana sy hankahery ny fianakavian’iroe niharam-boina, hoy i Olivier Randrianarisoa ary ho avy ihany koa ny fanampiana.Marina fa fety no naleha kanefa loza no nitranga; na izany aza anefa dia tsy tokony ho kivy fa tsy maintsy mifanampy foana isika, hoy hatrany ry zareo avy ao amin’ny CUA, ary vonona ny Ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy hitondra ny anjara birikin’izy ireo amin’ny asa tandrify azy noho izao voina izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.