Actualités

Loza, faty olona, grevy,… Anaty krizy i Madagasikara


  • Alakamisy 28 Febroary 2019

Mitohy tsy an-kiato ny loza samihafa eto amintsika. Rehefa tsy matin’ny valan’aretina, dia matin’ny loza voajanahary.

 

 Manampy trotraka izany ny tsy fandriampahalemana sy olana ara-tsosialy samihafa. Nafahafatesana olona maherin’ny 41 tany Atsimo noho ny ranotrambo nateraky ny orana nikija tany amin’ny distrikan’Ampanihy sy Betioky Atsimo. Hanaovana fisaonam-pirenena raha any am-pita. 2812 tsy manan-kialofana any Ambahikily Morombe, ary 4126 no miaina ao anaty rano, 1000Ha ny fambolena potiky ny rano.  Ny Biraom-pirenena na ny BNGRC misahana ny loza voajanahary etsy andaniny, toa tsy maharaka ny resaka fisorohana na ny fiantsorohana ireny loza samihafa ireny. Tsy hay na ny hoenti-manana na tsy misy na miandry domim-potsiny sy loza miseho vao mikorapaka. Ny Tale mpanatanterak’i BNGRC rahateo vao nesorin’ny fanjakana. Tsy tena tratry ny rivodoza anefa isika, dia efa izao no zavatra iainana, ka ahiana ny fahasahiranana tsy hifankahitana atsy ho atsy noho ny loza mety ho avy izay hirariana tsy hisy,… Ny tsy fandriampahalemana indray, dia omby 400 no lasan’ny dahalo tany Andranolava any Imanja ny faran’ny herinandro teo. Olona 3 natao takalon'aina, ka nitohy ny fiandohan’ny herinandro ny fanarahan-dia. Votsotra ny takalon’aina fa mpanara-dia 3 no maty voatifitry ny dahalo rehefa nifandona ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka an-kilany, ary ny dahalo an-daniny izay iray no maty. Ny eto Iarivo, dia mitokona ny mpianatry ny Politeknika Vontovorona. Endrika isehoan’ny krizy sy ny fahasahiranana ireny rehetra ireny, izay tena manahirana tanteraka ny fanjakana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT