Nitrangana loza mahatsiravina manamorona 1 km tsy idirana ny distrikan’Andapa ny Alahady alina teo, tokony ho tamin’ny 11 ora. Raha ny vaovao azo avy any an-toerana,
nifatratra tany amin’ireo trano nisy ireo zaza roa maty ireo ilay fiarabe, mpitatitra entana avy aty Antananarivo. Tafiditra indrindra tao anatin’ilay kihon-dalana mety hitera-doza izany ka sady rava tsy nisy noraisina ireo trano miisa telo no maty tsy tra-drano ihany koa ireo zaza roa ireo. Tsy fantatra moa na mamo na resin-tory ilay mpamily nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza. Andro alina rahateo no nisehoany. Tsiahivina fa misimisy ihany koa ireo olona naratra natory tao an-trano vokatr’ity lozam-pifamoivoizana nitranga ity. Nitsoaka ilay mpamily taorian’izay ary efa eo am-pitadiavana azy sy eo am-panaovana fanadihadiana mikasika ny raharaha ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.