Olona 100 omaly no notoloran'ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar fanomezana teny amin'ny foiben-toerany eny Ankorondrano.
Olona tsara vintana tompon'ireo ticket miisa 477.000 voarain'ity orinasam-pifandraisana ity tao anatin'ny sivy andro izy ireo nandray anjara tamin'ilay lalao lokabe Orange money nokarakarain'izy ireo noho ny fahatongavan'ny fetin'ny Paska. Nividy zavatra tamin'ny alalan'ny orange money mihoatra ny 5.000 Ar izy ireo. Nisy nandritra izany ny fahazoany ticket izay nanaovana ankitsapaka tamin'ny alalan'ny tombola. Pannier picnic avy amin'ny Super Maki no loka azony. Niampy fivahinianana miaraka amin'ny fianakaviany ny an'Andriamatoa Martial Alexandre Lazavalo, iray amin'ireo tena tsara vintana. Fivahinianana maimaimpoana haharitra herinandro any amin'ny trano fandraisam-bahiny Sunny izy io, manan-kery hatramin'ny faran'ny volana septambra. Azo hivahinianana avokoa izay mety aminy sy ny ankohonany na eto Antananarivo na any Toamasina na koa any Mahajanga. Hetsika efa fanaon'ny orinasam-pifandraisana Orange moa ny tahaka izao, indrindra amin'ny vanim-potoana lehibe tahaka ny fetin'ny Paska izay tena manan-danja amin'ny Malagasy tokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.