Actualités

Loholona Randriamihaingo Berthin Tokony hapetraka ny taranja fahaiza-miaina


  • Alatsinainy 15 Mey 2017

Mitaky ny hametrahana ny taranja fahaiza-miaina any an-tsekoly ny antenimierandoholona tamin’ny alalan’ny loholona avy amin’ny HVM Randriamihaingo Berthin ny faran’ny herinandro teo.

  Tsara sy tena mety ilay izy satria anisan’ny mampivaona ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao ny tsy fahampian’ny fahaiza-miaina sy fahalalam-pomba eo amin’ny ankizy sy tanora ankehitriny, izay hoavin’ny firenena sy ny tanindrazana. Maro ihany koa anefa no milaza fa ny mpitondra mihitsy no tokony ho fitaratra amin’ny fahaiza-miaina mba halain’ny fiarahamonina tahaka. Izy ireo indray no zary mpanome leson-dratsy, toy ny fihetsik’i Riana Andriamandavy VII. Hitam-poko hitam-pirenena ny fihetsika mamoafady sy fandikan-dalàna nataony. Na ny ao anatin’io andrim-panjakana misy azy aza anefa mangina sy tsy niraika firy tamin’ny fihetsiny kanefa ny antenimiera manontolo mihitsy no afa-baraka noho ny fihetsiny. Sao dia mba tokony hamafa ny tokotaniny aloha izy ireo vao hiresaka ny taranja fahaiza-miaina hampidirina any an-tsekoy mba tsy hataon’ny olona hoe mpitari-bato vilam-bava !

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT