Manjaka amin’ny sehatra maro ny hosoka amin’izao fotoana izao. Tsy afa-miala amin’izany ny tontolon’ny hairaha avo lenta toy ny fikirakirana ny solosaina sy ny informatika. Fitaovana tena goavana ilaina amin’ny fanatsarana ny fifehezana ny serasera eo amin’ny sehatry ny informatika ohatra ny fampiasana «logiciels».
Natao indrindra izy ireo hanamora ny fomba fitrandrahana ireo karazana famakiana miseho amin’ny endriny maro samihafa ao anaty solosaina. Sandaina lafo dia lafo anefa ny fahazoana mampiasa azy ireny ka tsy mahagaga raha mitady hevitra tsy mifanaraka loatra amin’ny lalàna ny ankamaroan’ny mpanjifa izay miditra amin’ny piraty. Antony nahatonga ny «Agence Universitaire Française» niditra an-tsehatra amin’ny fanapariahana ny «logiciel libre» io trangan-javatra io. Notsinjovin’ny AUF miaraka amin’ny «Centre National de Télé-enseignement de Madagascar» manokana tamin’ity taona 2014 ity ny sehatry ny fampianarana. Nampahafantarina teny Ambatomitsangana mantsy ny manodidina ity fitaovana tena miasa amin’ny fikirakirana ny informatika ity ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisongadina tamin’izany ireo tombontsoa marobe mety azon’ny mpanjifa Malagasy amin’ny fampiasana ny ireo antsoina hoe « logiciels libres» tsy andoavam-bola. Anisan’izany ny fahafahana mifampizara, mandika na koa manamboatra amin’ny alalan’ny fanavaozana sy fanatsarana ny fampiasana azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.