Actualités

Lodsia any Manakara Tafidina 500 Ar ny garaba


  • Zoma 18 Novambra 2016

Tafidina hatrany amin’ny 500 Ar ny iray garaba amin’ny lodsia ankehitriny any amin’ny distrikan’i Manakara,hoy Ralaindrina Marcel, mpikambana teo anivon’ny kongresin’ny tetezamita teo aloha sady mponina any an-toerana.

 

Noho ny tsy fahavitan’ny seranan-tsambon’i Manakara manondrana ny vokatra mankany Toamasina no antony. Tsy misy sahy  mitatitra ny vokatra  amin’ny alalan’ny fiara ireo mpandraharaha sao ho lo fotsiny eny an-dalana ka hiteraka fatiantoka. Mijanona ho an’ny tsena anatiny ihany ny vokatra ao Manakara  ka izay fomba  hamadihana  azy ho vola sisa no kendren’ireo tantsaha mpamokatra. Miantso ny mpitondra fanjakana mba hijery akaiky ny zava-misy any an-toerana ity tompon’andraikitra  ity. Maty ny tantsaha raha mbola mitohy ny tranga toy izao sady potika ihany koa ny foto-pivelomany. Ho an’ny jirofo manokana dia notsindrian-dRalainirina Marcel fa tafidina hatrany amin’ny  15.000 Ar ny iray kilao amin’izao fotoana ao Manakara raha 85.000 teo aloha. Marihina fa manodidina ny 15.000 Ar ny vidin’ny lodsia iray garaba tonga eto an-drenivohitra ankehitriny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT