Very olomanga sady manampahaizana i Madagasikara. Misaona ny tontolon’ny haisoratra sy ny literatiora satria nodimandry omaly alarobia 13 aprily Rahaingoson Henri na i Di, mpampianatra, mpanoratra,akademisianina, manampahaizana manokana momba ny teny. Hahatsiarovan’ny rehetra azy ary tsy voakosoka mandrakizay ilay hoe :
« Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko“. Ny taona 1993 Rahaingoson Henri no namoaka io ohapitenenana io mba hampisaintsaina ny tsirairay fa azo atao tsara ny manaja ny teny reny no sady mianatra ny tenin’ny firenen-kafa. Tena hentitra tamin’ny fiarovana ny fiteny Malagasy i Di ary nalahelo mihitsy izy manoloana ny fihenan-danjan’ny fifehezan’ny Malagasy ny teniny ka nahatonga azy nilaza fa ahiana hanjavona tanteraka mihitsy ny fiteny Malagasy amin’ny 2050 raha tsy misy ny ezaka atao hiarovana azy. Vao haingana no nilaza ampahibemaso i Di fa tena ilaina ny fanavaozana ny fomba fanoratra ny teny Malagasy satria mivoatra manaraka ny vanim-potoana ny teny ary miaina. Efa dinihana eny amin’ny antenimieram-pirenena sy ny akademiam-pirenena Malagasy moa ny politikan’ny teny. Rahaingoson Henri no raiben’ny iray volan’ny teny Malagasy ankalazaina isaky ny volana jona, izy no niady mafy sy nandresy lahatra ny rehetra momba io iray volana natokana ho an’ny teny Malagasy io. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany ny gazety Tia Tanindrazana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.