Tsy mampino nefa izay no zava-misy ! Sekoly naorin’ny fikambanana “Mada-Breizh” ny Lisea Belazao-Antsirabe II ary efa natolotra ny fanjakana.
Mpilatsaka an-tsitrapo avokoa ny mpampianatra ao ary 10.000 Ar isan’olona isam-bolana monja no tambin-karaman’izy ireo. Nanolotra fitaovam-pianarana, mitentim-bidy 20 tapitrisa Ariary teo, ho an’ny mpianatr’ity Lisea Belazao ity sy ny CEG ary EPP ny “Mada-Breizh” ny fiandohan’ny herinandro. Sekoly samy naorin’ny fikambanana avokoa izy ireo. Manangona sy mivarotra ireny gazety sy boky lany andro ireny any Frantsa, avy eo amidy hanangonana vola hanasoavana ny eto Madagasikara no lahasan’ity fikambanana iray miorina sy miasa any Frantsa ity. Isan’ny misitraka izany fanampiana izany ny ao Ampahatrimaha, Kaominina Belazao, Distrika Antsirabe II. Ny nanaitra dia tsy nisy tompon’andraikitra avy amin’ny fampianarana nanotrona azy ireo. Nahazo «imprimante» avo lenta ihany koa ny kaominina hanamaivanana ny asan’izy ireo amin’ny soram-piankohonana.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.