Actualités

Lions Club International Miara-miasa amin’ny fitondrana mifandimby


  • Alakamisy 20 Aprily 2017

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny hotely Carlton Anosy ny kongresy faha-3 n’ny Lions Club District 403 B2; nisolotena ny fitondram-panjakana nandritra ny lanonana ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier,

tazana teny an-toerana ihany koa ny filohan’ny antenimierampirenena sy  ny minisitry ny fahasalamana.Nanamafy Atoa Fidy Rakotozafy filohan’ny Disrict 403 B2 fa miara-miasa sy mifanome tanàna hatrany amin’ny fitondrana mifandimby amin’ny firenena rehetra misy azy ny Lions club.Nohamafisin’ny praiminisitra Solonandrasana ihany koa fa zava-dehibe ny fanaovana asa soa ary tena ilain’ny firenena.Niarahaba manokana ny fihetsika arahin’asan’ny Lions Club ny praiminisitra ary nampatsiahy fa nahavita be teto Madagasikara ny Lions Club amin’ny resaka fitsaboana ny maso, ny fanohanana ny fikarohana atao eo amin’ny sehatry ny fitsaboana, ny fiarovana ny tontolo iainana ary farany teo dia ny fanampiana ireo traboina noho ny fandalova’ny rivodoza Enawo.Tafiditra ao  anatin’ny fanamarihana ny faha 100 taona nijoroan’ny Lions Club International ihany koa moa ity fihaonambe eny amin’ny Carlton Anosy ity.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT