Actualités

Lions Club International Hanarina tanteraka ny “Centre Thermal” Antsirabe


  • Talata 11 Oktobra 2016

Nosokafana tany Antsirabe ny andron’ny sabotsy 8 oktobra lasa teo ny fankalazana ny faha 100 taonan’ny Lions club International eto Madagasikara. Mpikambana nanodidina ny 500 amin’ireo 900 manerana ny nosy no tonga niatrika tany an-toerana ankoatry ireo rantsana zanak’ ity klioba ity.

Antony nisafidianana an’Antsirabe dia tao no nivoahan’ny governora voalohan’ny Distrika 403 B2 no sady nanombohana ny asa fankalazana izany dia ny fanolorana ny fanavaozana ny toeram-pilomana ao amin’ny Centre Thermal Andranomafana. Nambaran’ny Governora Fidy Rakotozafy fa efa nanomboka tamin’ny volana jolay 2014 no nanaovan’izy ireo fanamby amin’ny alalan’ny fanomezana tombontsoa ho an’ny olona manodinana 100 tapitrisa any ho any ka nandritra ny 3 na 4 taona no hanatrarana izany ary efa tratran’izy ireo izany ankehitriny. Namafisiny fa zavatra marobe no hapetraka eto Madagasikara manokana ka isan’izany ny fanarenana tanteraka ny “Centre Thermal”, Andranomafana izay efa 90 taona nijoroana ka ilana fanavaozana tokoa ary efa nosantarina tamin’ny fanavaozana ny efitra fandroana niisa roa izay natolotra ny Minisiteran’ny fahasalama avy hatrany tamin’izao fanokafana izao ka amin’ny volana aprily  2017 no hamitana ny fanarenana ity toeram-pitsaboana tokana eto Madagasikara ity. Fantatra ihany koa fa isan’ny hisian’ny asa hanamarihana ity fankalazana ity ny fanavaozana ny hopitaly any Toliary, izay toerana nijoroan’ity fikambanana ity voalohany teto Madagasikara sy ranomasimbe Indiana ka ny toerana fitsaboana ankizy no handraisan’izy ireo anjara amin’izany. Fa isan’ny asa goavana ny fanorenana ny toerana fandidiana fo ao amin’ny Hopitalin’i Soavinandiana, izay hiarahana amin’ny “Médecin du Monde”.


Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT