Actualités

Lions Club District 403 B 2 Governora vaovao i Georges Chane-Tune


  • Sabotsy 22 Aprily 2017

Nifarana omaly tetsy amin’ny hotel Carlton Anosy, rehefa naharitra telo andro ilay kongresy goavambe nokarakarain’ny fikambanana Lions Club District 403 B 2.

Firenena mpikambana dimy tamin’ny enina no nandray anjara tamin’izany ka ankoatra ny fanaovana jery todika ny asa vita hahafahana mibanjina ny ho avy dia nisy ihany koa ny fifidianana izay ho governora vaovao sy ireo lefiny roa hitantana ny fikambanana mandritra ny herintaona. Voafidy tamin’izany Andriamatoa Georges Chane-tune avy atsy amin’ny Nosy rahavavy La Réunion. Avy atsy amin’ny Nosy rahavavy Maurice kosa ny lefiny voalohany dia Andriamatoa Cheong Tin. Lasantsika teratany Malagasy ny toeran’ny lefitra faharoa. Rakotomalala Nifanja no nitsikian’ny vintana, izay filoha tale jeneralin’ny orinasa QMM. Vonona ireto tompon’andraikitra voafidy ireto ny hanao ny tsara kokoa hatrany noho ny teo aloha, indrindra fa ny fanasoavam-bahoaka. Any Maurice indray moa no hotanterahina ny kongresy andiany faha-13 amin’ny taona 2018 ho avy io.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT