Nanamarika manokana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny lionisma ireo fikambanana lions club eto Antananarivo omaly, ahitana fikambanana 25 isa miaraka amin’ny Léo.
Fanomezan-dra maimaimpoana nandraisan’ny mpikambana anjara no nanamarihana izany notronin’ireo Havana aman-tsakaizany maro samihafa. Kitapon-dra miisa 250 no nenjehina omaly tontolo andro, hetsika tafiditra ao anatin’ny fanampiana sy famonjena ain’olona raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny faritra 413 Randrianomanana Bruno. Nezahina nampiana kitapon-dra 100 isa izany tamin’ity taona 2015 ity raha 150 tamin’ny taon-dasa noho ny fitombon’ny filana. Tsiahivina moa fa hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona ny tahaka izao ankoatra ny asa sosialy hafa entiny hanampiana ny mpiara-belona. Vory lanonana marobe tokoa ny mpikambana omaly tetsy amin’ny foibe fanomezan-dra etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.