Actualités

Lilla Koumba Andriambololona « Tsy meloka ny vadiko ka avotsory »


  • Zoma 31 Oktobra 2014

« Tsapako nandritra ny fanadihadiana natao tamiko fa noterena an-kolaka aho hilaza fa tsy teo anilako ny vadiko tamin’ny fotoana voatondro fa nahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ».

Izany no fanambarana nataon-dRamatoa Lilla Koumba Andriambololona, vadin’i Jean Marc Koumba teny Tsiadana omaly. Diso tanteraka ny filazana fa misy ifandraisany tamin’ny fahatongavan’ny filoha teo aloha teto Madagasikara i Jean Marc Koumba, hoy izy. Ny zavatra fantany avy amina loharanom-baovao, nambarany fa azo antoka dia nandainga ihany koa ireo vavolombelona roa nilaza fa nahita an’i JM Koumba teny amin’ny seranam-piaraminidina Antsirabe ny andro voatondro fa nahatongavan’i Marc Ravalomanana. Tsapako fa toa novaina avokoa izay zavatra , hoy i Lilla Koumba. Niantso an’Atoa Ravalomanana mba hilaza ny tena marina momba ny nahatongavany teo izy, niantso ny fitondram-panjakana ihany koa mba hilaza mazava ny toerana misy an’i Jean Marc Koumba sy momba ny fahasalamany. Manizingizina i Lilla Koumba Andriambololona fa tsy misy idiram-badiny mihitsy ny raharaha Ravalomanana. Ny zandarimariam-pirenena moa raha nanontaniana dia nilaza, omaly fa tsy mbola azo ambara mihitsy aloha ny toerana itazonana an’i Jean Marc Koumba.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT