Novakian’ilay teratany kanadianina Gilles Filialtreault, tale jeneralin’ny Air Madagascar bantsilana ny tsy fahaiza-mitantan’ireo tompon’andraikitra teo aloha teo anivon’ity orinasam-panjakana ity nandritra ny fihaonambe niaraka tamin’ny mpiasa farany teo.
Tsy fanahy inian’ity tale jeneraly ity ny nanao izany fa noho ny famaliana ny fanontanian’ireo mpiasa no nanomezany valin-teny mazava nampieritreritra.
Tsy hamaha olana akory
Rehefa natao mantsy, hono, ny fanadihadian’ny teknisianina malagasy dia hita indray fa mety tsy hamaha olana amin’ny fahasahiranan’ny kaompania indray ilay fiaramanidina boeing 737-800 ilay nalaina tamin’ny fomba nakotrokotroka tany Sina farany teo satria tsy ho afaka mipetraka amin’ny seranam-piaramanidin’i Morondava, Toliara, Tolagnaro, Toamasina, Ste Marie akory ilay fiara noho ny habeny. Ny nanafarana azy ity anefa dia saika hoe hanatevenana ny zotra anatiny ankoatr’ireo zotra rejionaly tokony hataony. Ny seranam-piaramanidin’i Mahajanga sy Nosy be ihany no afaka mandray ity fiara ity hatramin’izao. Raha nanontanian’ireo mpiasa amin’izay ary atoa tale jeneraly ny hoe inona no fanapahan-kevitra horaisina dia tsotra ny navaliny. « Vao tonga aho ka tsy maintsy mandinika aloha, zavatra izay mba tokony ho nataon’ny mpitondra teo alohako alohan’ny ( ndlr nitonatonana) na niditra nanofa ity fiaramanidina tsy mifanaraka amin’ny tena filan’ny Air Madagasikara ity. Mety haverina any amin’ny tompony indray ary ve izany ity fiara ity ? Mandra-piandry izay tena vahaolana dia miketrika mafy ny teknisianina malagasy ankehitriny ny hanomanana ity fiaramanidina ity mba hanao zotra mankany Gouangzhou saingy Atoa tale jeneraly ihany moa no tompon’ny teny farany.
Olana hafa
Mbola olana ihany fa momba ireo ATR 72-600 roa izay ananantsika dia tsy mbola afaka manao zotra rezionaly indray ireo na dia nohafarana hanao izany asa izany aza satria rehefa nanao ny fanaraha-maso rehetra indray ny teknisianina malagasy dia nahita fa samy tsy manana « HF » avokoa izy roa ireo ka tsy afaka mbola mivoaka an’i Madagasikara aloha. Lafo anefa ireo fitaovana ireo ka tsy voavidin’ny Air Madagascar hatramin’izao. Farany momba ireo mpitatitra ny mpiasan’ny kaompania dia niarahan’ny rehetra nahita angamba fa fiara mini-bus mazda no nampiasain’ny orinasa nitaterana ny mpiasa hatramin’izay. Fito na valo volana lasa anefa izay dia niangentsana, hono, ny mpitantana ny orinasa tamin’izany fotoana nanofa fiara madinika hitatitra sokajina mpiasa. Tena volabe mivoaka isan’andro anefa ny hofan’ireo fiara madinika ireo nandritra ireny Air Madagasikara nanomboka sahirana ireny. Miharihary amin’ity tale jeneraly vaovao ity avokoa izany ankehitriny.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.