Nisy andian'olona maro nidina an-dalambe tao Toamasina halina. Niainga tao Ankirihiry izy ireo ary nihazo an'i Bazary Be misy ny foiben'ny Jirama Toamasina. Tsy nahasakana azy ireo ny andro maizina sy efa alina, amin'ny sivy ora
Resaka delestazy ny antony, izay tena mampikaikaika ny mponina tokoa satria dia adiny telo eo monja ny ankamaroan'ireo kartie ao Toamasina no mahazo jiro. Nifanojo indrindra tamin'ny andro novinavinain'ny Jirama hanaovana andrana voalohany an'ireo gropy enina vaovao vao tonga hamahana ny olan'ny delestazy ao Toamasina ity grevin'ny mpanjifa ity. Niandry ny mponina fa hisy fiovana amin'izay ity famatsian-jiro ity, kinanjo diso fanantenana ka dia nitroatra. Noravan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fefy ary nopotehin'izy ireo ny varavaran'ny biraon'ny Jirama tao Bazary Be. Maromaro no simba, potika ny fitaratra. Ny sasany nandoro kodiarana teo an-tokotany. Minitra maromaro taty aoriana vao tonga ny Emmo-Reg, nanao tifi-danitra sy nanapoaka grenady lakrymozena telo nanaparitahana ny olona ka vao mainka nampiakatra ny hafanam-pon'ireo mpanao fihetsiketsehana, izay fanin-droany izao raha ny tamin'iny herinandro nivalona iny. Tranona mpiasan'ny Jirama iray tao Tanambao V nopotehin'ny olona. Tafatsoaka ara-potoana ny tompontrano ka tsy voakitika. Nisy ny fifanenjehana taorian'izay. Nandefa baomba mandatsa-dranomaso no sady nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana, fantatra hatry ny alina fa telo tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana no voasambotra tao Bazary Be. Bandy sy rola eran'ny tanàna, ny andro maizina, ny mpanararaotra betsaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.