Actualités

Lehilahy mpampijaly mpivarotena Tratra ary natolotra ny fampanoavana omaly


  • Sabotsy 10 Oktobra 2015

Rehefa nanao ny asa mahazatra azy ny polisy ao amin’ny boriborintany voalohany ny marainan’ny alakamisy 8 oktobra lasa teo dia nahita vehivavy iray nitomany sady niantso vonjy, nilaza fa voaolana.

 

 

 Mbola tazan’ny polisy maso tsara ilay fiara voalazan’ilay vehivavy fa nentin’ilay olona nanolana azy. Nohenjehina avy hatrany ilay fiara ka lehilahy iray no tao anatiny. Rehefa nosavaina ny taratasin’ny fiara dia tsikaritra fa tsy mitovy ny anarana ao amin’ny “permis de conduire” sy ny kara-panondrony. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao izy nanaovana famotorana. Raha vao nahita azy ilay vehivavy dia nilaza avy hatrany fa io mihitsy ilay nanolana azy sady nanambana basy azy. Vao naheno izany ny polisy dia nisava ilay fiara nentiny ka hita tao tokoa ny basy iray marika “BERETTA 09mm (BRUNI) Italianina. Nilaza ilay vehivavy fa nifanaraka izy sy i Jimmy  fa hanao firaisana ara-nofo, marihina moa fa mpivarotena ity olona nitory ity. Naka “chambre” izy ireo ka rehefa tonga tao dia notereny tany amin’ny fitombenana ary nampidirany zava-maranitra sy karazana plastika lehibe ny tao amin’ny maha vehivavy ...sady nambanany tamin’ny basy. Marary mafy ilay mpitory ankehitriny no sady tsy afaka mandeha mihitsy. Tonga tao amin’ny biraon’ny polisy etsy Analakely i Diams, lehiben’ny mpivarotena, nijoro vavolombelona sady nitory an’i Jimmy satria efa tena betsaka, hoy izy, ny vehivavy mpitady vola amin’ny alina no nataon’i Jimmy tahaka izao. Miisa 74 ny isan’ireo efa tratrany. Rehefa nofotorana i Jimmy dia niaiky ny heloka vitany. Niaiky ihany koa izy fa mitondra fiara tsy misy permis. Tsy nahitana taratasy ahafahany mitazona io basy io ihany koa tany aminy.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT