Tambajotra hifaneraseran’ireo lehilahy vonona ny hiady amin’ny herisetra ny Men engage.
Efa misy amina firenena miisa 46 eto ambonin’ny tany izy io saingy sambany kosa no nisy fampivondronana ireo lehilahy maniry ny hiady amin’ny herisetra tetsy amin’ny tranoben’ny varotra etsy Antaninarenina omaly. Ny tetikasa C for C izay tohanan’ny vondrona eoropeanina ary miady amin’ny herisetra mifandraika amin’ny miralenta no hitan-tsoroka azy ity eto amintsika. Amin’ny alakamisy izao no handamina ny paikady ahafahan’izy ireo mizotra amin’ny ady amin’ny herisetra ireo nanohina ny antso.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.