Lehilahy iray hita faty teny Besarety omaly alatsinainy vao maraina. Potika tanteraka ny tarehiny ary niparitaka teo amin’ny toerana nahitana ny razana ny ra vokatry ny ratra mafy nahazo azy.
Raha ny fitantaran’ny manodidina dia tamin’ny 3 ora maraina tany ho any, dia naheno olona niantso vonjeo ny teo amin’ny manodidina saingy tsy nisy nahasahy nivoaka noho ny tahotra. Ny maraina vao samy gaga sy talanjona ny rehetra fa efa ny vatana mangatsiakany sisa no hita. Tsy fantatra mazava izay tena antony mety ho namonoana azy. Voalaza ihany koa fa efa nisy ny fiantsoana mpitandro ny filaminana saingy tsy nahitam-bokany. Tsy dia misy intsony ny fifamonjena sy fifanavotana amin’izao fotoana noho ny tahotra. Matetika no hary fitaovana ny olon-dratsy, ka samy matahotra ny ainy ny rehetra. Ilaina ihany anefa ny mamolavola paikady hoenti-mampandry fahalemana isaky ny fokontany tsirairay. Voasoroka ihany ny famoizana ain’olona tahaka izao raha mahay mifanentana sy miray hina ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.