Lehilahy lehibe 70 taona no tratra ambodiomby teo am-panolanana zazavavy kely vao 13 taona monja tao amin’ny trano iray tao an-tanànan’Ansahalava, fokontanin’Ambohimanina, kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka ny 3 septambra lasa teo.
Niaiky ny heloka nataony ity lehilahy ity ary nilaza fa efa im-betsaka ihany no nanolanana an’ity zazavavy kely ity fa izao izy vao tratra noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitrapo ka nanampy tamin’ny fisamboran’ny manampahefana azy tany an-toerana. Nanamafy ny tena fisian’ny fanolanana moa ny tatitra ara-medikaly nataon’ny mpitsabo tany an-toerana. Ny sazy mafy indrindra no mety hiandry an’ity lehilahy ity ankehitriny. Voamarika fa mihamitombo ny resaka fanolanana ao an-tanànan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao. 7 izao no tranga voaisan’ireo tompon’andraikitra hatramin’ny volana janoary tamin’ity taona 2016 ity. 31 isa kosa ny vohoka tsy niriana na lasa aloha loatra tany an-toerana ihany hatramin’io fe-potoana voalaza io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.