Raha mbola eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy ny fifidianana Loholona natao tamin’ny 29 desambra 2015, dia efa mandeha sahady izao ny resaka fa hotanterahina any amin’ny volana aprily 2016 any ny fifidianana ireo lehiben’ny Faritra.
Hisy fanovana sa hijanona amin’ireo 22 misy ankehitriny ireo ihany ny Faritra ? Lalàna no hamaritra azy. Mety tsy ho adihevitra ihany koa ny fanatanterahana fifidianana volana aprily, na dia mbola tafiditra ao anatin’ny fotoam-pahavaratra aza izany, satria raha ny voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara dia eo anelanelan’ny volana mey sy novambra no azo anatanterahana fifidianana. Natao volana desambra anefa ny fifidianana Loholona farany teo, izay eo ampiandrasana ny vokatra amin’izao. Rahampitso sabotsy 9 janoary 2016 ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) no hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika. Andrasana hatramin’ny 25 janoary 2016 kosa ny voka-pifidianana havoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.