Actualités

Lehiben-jiolahy mitam-basy Maty voatifitra tao Andakoro Toliara


  • Alakamisy 27 Novambra 2014

Lehiben-jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fandrobana ao an-tampon-tanànan’i Toliara sy ny manodidina no maty voatifitry ny polisy, ny alatsinainy hariva teo. Narahi-maso efa ho herinandro ity lehiben-jiolahy ity sy ny ekipany taorian’ny fanafihana nitranga tao Andakoro Toliara ny alarobia lasa teo. Nitsoaka tany Mangily Ifaty ireo

mpandroba ka tany no nosamborina ary azo sambo-belona ny lehibeny, nefa nanohitra ny polisy sady nitifitra. Voatery niaro tena namaly bontana ny mpitandro filaminana, raha ny fanazavana.

 

Fanafihana mitam-basy fito

 

Raha ny nambaran’ny kaomisera Rufin Lebiria, dia voasaringotra tamin’ny halatra mitam-basy narahina famonoana olona ity lehiben-jiolahy lavon’ny bala ity, ka anisan’izany ny fanafihana « grossiste » tao Andabizy ny 4 jolay lasa teo sy ny tokantrano tao Andaboly izay samy nahafatesana olona iray avy, ary ny famakiana « coffre » oniversite Toliara nahavery vola iray miliara. Fanafihana mitam-piadiana fito no nitranga tao Toliara nanomboka ny volana jolay no ho mankaty. Olon-tsotra efatra maty, raha enina ny jiolahy. Basy maromaro nampiasain’ireo jiolahy kosa azon’ny mpitandro filaminana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT