Actualités

Lavanila miaka-bidy Mamofompofona famotsiam-bola


  • Talata 20 Septambra 2016

Tsara ny tsenan’ny lavanila tamin’ity taom-pamokarana 2016 ity. Na ny lavanila maitso io na ny masaka samy tsara vidy avokoa tany Analanjirofo hatrany SAVA, mandalo any Sofia. Tafakatra roa hetsy Ariary ny kilaon’ny lavanila maitso tany Analanjirofo, ary maherin’ny enina hetsy Ariary ny masaka

. Faly ny mpamboly lavanila na teo aza ny asan-jiolahy. Tsy voavaly hatramin’izao kosa ny antony tena nampidangana tampoka ny vidin’ny lavanila teto an-toerana, nefa tsy dia misy fiovana firy ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tsena izay efa manomboka ifandrombahana amin’ireo firenena mamokatra lavanila toa an’i Indonezia, Kômôro, Meksika, Papouasie-Nouvelle Guinée, Ouganda, Inde ary Chine. Famotsiam-bola no heverin’ny maro ho anton’io fiakaram-bidy io. Vola azo avy amin’ny varotra an-tsokosoko boaderôzy no natontona amin’ny lavanila, mba ahazoana vola madio amin’ny vidin’ny lavanila hapetraka amin’ny kaonty amin’ny banky any ivelany any. Saika any amin’ireo faritra be trafika boaderôzy rahateo no tena mpampokatra lavanila ka nifamezivezen’ireo mpanao trafika. Manamarika moa ny olona tao Sambava sy Antalaha ary Maroantsetra fa nisy fiaramanidina kely tonga matetika voalaza fa mitatitra olona mitondra vola be hanangonana lavanila tamin’ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT