Actualités

Laurent Ramaroson Hiodinkodina eto foana isika


  • Zoma 07 Oktobra 2016

Tokony hiverenana saintsainina lalina ny antony tsy hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny entina, hoy ny mpanao politika, Laurent Ramaroson, tetsy Ampefiloha, omaly.

 Nisy ny atrikasa mikasika ny fifidianana natao farany teo izay novatsian’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena kanefa izany dia tsy ampy hampiverina io fifampitokisana io. Ny antony, na toy inona na toy inona hatsaran’ny lalàna ho apetraka mikasika ny fifidianana dia raha tsy hiverenana ny fanontaniana hoe inona no antoka manomboka izao hahatafatoetra izay fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy mpitondra izay dia hiodinkodina eto foana isika. Naninona ny filohan’ny CENI teo aloha no lasa minisitry ny raharaham-bahiny? Zavatra toa mifanohitra ny hoe izy no filoha nampandany ny filoham-pirenena ankehitriny kanefa dia io lasa minisitry ny raharaham-bahiny. Mbola tsy voavaly ny fanontaniana hoe nisy fifidianana tsy nitongilana ve teto?  Ny fanjakana mihitsy, tamin’ny alalan’ny CES no niaiky fa nisy tsy nety iny fifidianana iny. Ny dikan’izany na tsara toy inona aza ny lalàna dia ho eto ihany isika rehefa mbola misy tsy maty manota.

Mirija

Sary: Rakotobe Michel 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT