Actualités

Latsaka an-katerena i Madagasikara Tonga ny fanampiana iraisam-pirenena


  • Alarobia 15 Martsa 2017

Tonga omaly alina teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato ny fiaramanidina lehibe nitondra ny fanampiana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara noho ny takaitran’ny rivodoza Enawo.92 taonina ny entana nentiny,

izay fanampiana avy amin’ny Agence adventiste de développement et de secours (ADRA), ny Catholic Relief Services (CRS), ny UNICEF, ny fandaharanasan’ny firenena mikambana momba ny sakafo (PAM) ary ny fikambanana iaraisam-pirenena momba ny fahazalamana (OMS).Tafiditra ao anatin’ity fanampiana ity ny kojakoja maika amin’ny resaka fitsaboana, biskoitra be otrikaina, trano lay sy lamba firakotra ka ho zaraina manerana ny nosy izy io ho fanampin’ny efa natao teo aloha.Angady nananana sy vy nahitana ka nahatongavan’izao fanampiana izao teto Madagasikara ny Sheikh Mohammed bin Rashid Al Maktoum, filoha lefitra sady praiminisitry Emirats Arabes Unis, mpitantana an’i Dubai hany koa ka izy no nandoa ny 250 000 dolara  saran’ny sidina.Araka ny tarehimarika farany moa dia olona 51 no maty noho ny rivodoza Enawo, 21 tsy hita popoka, 238 maratra ary olona 78 895 voatery nafindra toerana.

RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT