Actualités

Lasan’ny sinoa ny tanŕnan’Ambodimangamamy Trano 623 tsy maintsy harodana…


  • Zoma 09 Desambra 2016

ff Zary fomba fiteny sy fomba firesaka ny hoe fiandrianam-pirenena eto amintsika. Tsy misy ary tsy hisy mihitsy izany raha ny zava-misy ankehitriny no mitohy.

Ny vahiny no manjakazaka sy toa tompon’i Madagasikara noho ny fivarotana tanindrazana izay efa tena tsy voafehy intsony. Mangina ny mpitondra ary ny vahiny indray aza no homena vahana hanao fahirano amin’ny mpiray tanindrazana amin’ny tena. Tsy mahagaga raha raofiny sy tsy ananany antra ny zava-drehetra. Saika manerana ny nosy ny fanjakazakan’ny vahiny, anisan’ny mampahory vahoaka ny sinoa. Lasan’izy ireo indray mantsy ny tany Antalaha ao Ambodimangamamy, lalana mihazo ny seranam-piaramanidina. Trano 623  no voalaza fa tsy maintsy harodana amin’izao fotoana.  48 no efa voarodana hatry ny afakomaly ka mitomany migogogogo no hany azon’ny zaza amam-behivavy natao. Misy ihany koa ny fisamborana ataon’ny mpitandro ny filaminana ho an’izay miana-kendry hiaro ny fananany. Tsy fantatra intsony ny tompon’antoka tamin’ny fanomezana ny tany ho an’ny vahiny toy izao. Sady lasa ny tany no voavidy vola mba hamoritra vahoaka ireo ambara ho tandroka aron’ny vozona, ka dia tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato ny vahoaka.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT