Actualités

Lasa mersenera i Berija sy Jean Pierre Mahavita mandrahona ho faty


  • Sabotsy 10 Desambra 2016

Tsy tapitra hatreo ny raharaha mampifanolana ireo mpianatra avy amin’ny faritra 22 sy ny avy amin’ny SOLEMA (Solidarité des Leaders de Madagascar) tarihin’i Berija Ravelomanantsoa sy Jean Pierre Randrianamboarina.

Nanao fanambarana teny Ankatso II indray ireo mpianatra avy amin’ny faritra omaly. Araka ny fanazavan’izy ireo dia fikambanana miisa 3 ihany no ara-dalàna sy mahasolotena ny mpianatra dia ny fikambanana pedagojika, fikambanana avy amin’ny faritra ary ilay antsoina  hoe CPS (Cellule Paix et Sociale). Tetikady maloto entina hakana vola any amin’ny mpanao politika sy hitadiavana seza no mahatonga azy ireo, hamorona io fikambanana sadasada io ka hikarakarany hetsika hisolokiana ny anaran’ny mpianatra. Mahavita manao fandrahonana ho faty mihitsy izy roalahy ireo noho ny fianteherana amina olona ambony ao amin’ny fitondrana ka anisan’ny entiny amin’izany ny anaran’ny Filoham-pirenena sy ny mpanolotsaina akaiky azy, araka ny filazan-dRalaivoavy Jorosoa. Milaza mihitsy izy ireo fa ny filoham-pirenena no maniraka azy ary atahoran’ny fitondrana, hono, izy ireo ka izay no mahatonga azy hirehareha fa tsy very izay manaiky hiaraka aminy. Raha tsiahivina dia akaiky ny mpanohitra izy ireo teo aloha ary anisan’ny efa nitondra faisana tamin’izao fitondrana izao. Efa naiditra am-ponja teny Tsiafahy i Berija ny volana janoary 2015. Efa in-droa voasambotra ihany koa i Jean Pierre, ka niharan’ny herisetran’ny zandary ny volana aogositra 2015. Te halaza mafy ny tenany, ka izy mihitsy no nanolo-tena hosamborina fanindroany ary ireny niaraha-nahita ireny ny zava-nisy. Ekena fa afaka manana ny politikany sy ny fironany ny tsirairay saingy tokony handray fepetra ihany ny mpitantana ny oniversite noho izao fanaovana fitaovana politika sy fandotoana ny anaran’ny anjerimanontolo amin’ny resaka politika izao.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT