Actualités

Lapan’ny Fitsarana Anosy Saika hisy handoro


  • Alarobia 21 Desambra 2016

Nisavorovoro ny teny amin’ny fitsarana Anosy omaly talata 20 desambra nitsarana an’i Augustin Andriamananoro.

Raikitra ny sahotaka noho ny tsy fankasitrahan’ny olona ny tsy nanafahana ity minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra tamin’ny andron’ny tetezamita ity. Maro tamin’ireo mpanohana azy no nanantena fa hivoaka omaly ihany ny didim-pitsarana ary nihevitra mihitsy fa ho afaka madiodio i Augustin Andriamananoro, saingy tsy izay no nitranga. Maro ny olona tonga teny an-toerana, nifangaro tao ny samy mpanohana toy ny avy any Soamahamanina sy ireo avy eto an-drenivohitra. Anisan’ny nivoitra tao anatin’ny sahotaka taorian’ny tsy nanafahana an’i Augustin Andriamananoro ny famerimberenan’ny olona ny fehezan-teny hoe “sambory ihany koa i Claudine”. Niteraka adihevitra goavana teto amin’ny firenena mantsy ny mikasika io ramatoa akaiky ny fitondrana io noho ny resaka fanodikodinam-bola mitentina 396 tapitrisa saingy nampanginin’ny fitondrana raharaha, kanefa i Augustin Andriamananoro izay ambaran’izy ireo ho mpitari-tolona hiarovana ny tanindrazana gadraina. Nisy ny feo nandeha nandritra ny savorovoro fa efa misy andian’olona nivoy ny tokony handoroana ny lapan’ny fitsarana Anosy noho ny fiheveran’izy ireo fa misy ambadika politika ity raharaham-pitsarana natao omaly ity. Tsy hay na olona voakarama hanakorontana no nikotrika izany na finiavana hampisavorovo, na koa fikotrehana asa fandrobana tsotr’izao. Voafehin’ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny Emmo-Reg kosa anefa ny savorovoro, ka nilamina ihany ny toe-draharaha.

Toky R. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT