Nampanantena fa hanamboatra an’izatsy sy izaroa indray i Hery Rajaonarimampianina tany Mahajanga omaly, hanamboatra lalana sy tetezana ary sekoly, hono.Asa na mba fantany ihany fa mandritra io fotoana hikabariany io dia maro ny mpiasam-panjakana nimenomenona
nanomboka omaly alatsinainy satria na dia efa faha 22-n’ny volana aza dia tsy mbola tonga any amin’ny banky foana ny karama. Iaraha-mahalala anefa fa tonga aloha foana ny karaman’ny fonksionera, indrindra fa rehefa faran’ny taona tahaka izao. Ary hatrizay dia eo amin’ny faha-20-n’ny volana eo dia efa vita ny « virement ». Mandeha be ihany koa ny resaka fa mihena isan’andro ny tahirina vola vahiny ao amin’ny banky foiben’i Madagasikara nanomboka tamin’ny 2009. Etsy an-kilan’izany, maro be ireo mpamatsy entana sy kojakoja (fournisseurs) no mimenomenona amin’ny fitarazohan’ny fivoahan’ny vola avy amin ny fanjakana. Efa maharitra enim-bolana mahery izany vao azo. Etsy sy eroa ihany koa dia hita taratra fa potika daholo ireo fotodrafitrasa, porofo mivaingana amin’izany ny tetezana eny Ampasika, Ankadindratombo, Ambodimita, misy maka ny vy kanefa tsy misy fepetra raisina, ary lasa tsena indray aza eo amin’ilay tetezana, ny lavaka amin’ny lalana efa tsy resahana intsony. Izay no anisan’ny miteraka fitohanana eran’ny tanàna. Ny fahasahiranana amin’ny delestazy moa izany efa lasa fiainana isan’andro noho ny tsy fisian’ny vola, eny fa na ny tanàna aza dia maloto tanteraka, mahalana vao misy mpanadio sy mpandroaka fako satria tsy misy, hono, ny vola. Fa dia tena tsy misy vola ho an’ny zavatra bitika tahaka izany tokoa ve ? Mety misy hifandraisany tamin’ny fihazakazahana hiroso tamin’ny fandaminana politika farany teo ve izany mba hisorohana ny fipoahana ara-tsosialy goavana satria tsy manam-bola ny fanjakana ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.