Actualités

Lany andro mifanenjika ny Malagasy Jihifin’ny vahiny ny harena


  • Alakamisy 08 Desambra 2016

Lany andro sy fotoana mimenomenona eto isika saingy tsy hita izay vokany.

 

 Manao ny ataony amin’ny fambotriana ny firenena amin’ny alalan’ny firaisana tsikombakomba amin’ny vahiny mpandroba ny mpitondra saingy ny manaratsy sy ny mimenonomena no mba hany zava-bitan’ny Malagasy. Ny vahiny manao izay danin’ny kibony avokoa ka lasa ny volamena, ny vato sarobidy, ny hazo sarobidy, eny hatramin’ny ranon-tany aza izy ireo indray no mivarotra amin’ny Malagasy saingy tsy mety tonga saina isika. Variana mifampialona sy miady an-trano ary mifamono mihitsy, fa tsy mba misy izany finiavana hanambatra ny hery, fisainana, foto-kevitra izany ka mba ny soa iraisana no tanjona. Ny tsy tonga ao an-tsaintsika sy tsy takatry ny besinimaro dia mifampiaro sy mifanavotra ireo vahiny mpangoron-karena ireo ka zarany aza isika miady an-trano sy mifanapotika eto. Manjaka etsy sy eroa ny asan-jiolahy, asan-dahalo fitsaram-bahoaka izay isika samy isika ihany no mifamotika sy mifandrafy ary variana amin’ny zavatra tsy misy dikany, kanefa ny olona mihomehy fotsiny sady manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Raha mbola hivakivaky sy hifamely am-pitoerana ary tsy hanao na inona inona fa hitsetsetra fotsiny dia mbola izao ihany no hiainana eto.  Tsy any amin’ny mpitondra ihany no lesoka fa mila tonga saina ny rehetra, fa tsy hanantena mana avy any an-danitra. Ny foto-pisainan’ny tsirairay no afaka hampivoatra na vao mainka hampilentika azy.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT