Actualités

Lanonana famaranana ny taona Efa vonona ny mpikarakara ny hetsika any Ilakaka sy Sakaraha


  • Zoma 26 Desambra 2014

Namiratra sy nanjaka ny seho an-tsehatra fiderana ny Tompo sy ny nahaterahan’i Kristy Mpamonjy tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny ka hatramin’ny omaly alakamisy andron’ny Krismasy 2014.

Na dia mbola hitohy ao anatin’ny iray volana eo ho eo aza ny fiderana dia efa manomboka mihanoka amin’ny lanonana fikoranana famaranana ny taona 2014 sy fitsenana ny taona vaovao 2015 indray manomboka eto ny ankamaroan’ny olona. Efa manakoako sy mipetraka etsy sy eroa ny fampahafantarana an’ireny lanonana isan-karazany ireny, indrindra ho an’izay manan-kevitra ny hitodi-doha any amin’ny tanànan’i Sakaraha sy Ilakaka ary ny manodidina azy ireo iny fa hamarana ny taona miaraka aminao ny Volcan Prod tarihan’ny filohany, Rafaralahy Roger, i Willy sy Khaleb. Fampisehoana in-droa miantoana, ny 27 sy 28 desambra no hatolotr’i Willy ao amin’ny kianjan-dry Mompera ao Ilakaka sy ao amin’ny kianja malalaka ampitan’ny Total ao Sakaraha. Ny alin’ny 31 desambra kosa dia handimby azy amin’ny lanonana fiandrasana ny taona vaovao 2015  i Khaleb ao amin’ny Espace Relais ao Sakaraha ary mbola hanolotra ny kanto indrindra koa ny alakamisy 1 janoary ao amin’ny  kianja malalaka ampitan’ny Total ao Sakaraha ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT