Actualités

Lalatiana Ravololomanana Mitaky ny handravana ny Antenimieram-pirenena


  • Talata 13 Janoary 2015

Tsy marina ny filazan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena fa antoka iray mahamarin-toerana ny fitondrana ny fisian’ny Antenimieram-pirenena, hoy i Lalatiana Ravololomanana anisan’ireo mpitarika ny mpanohitra eto amintsika

Ao amin’ity andrim-panjakana iray ity mantsy, hoy hatrany izy no tena ahitana ny fahalovana indrindra. Tsara raha ravana io andrim-panjakana io raha tiana ho marin-toerana izao fitondrana mijoro izao. Tolo-kevitra nomeny ny mpitondra amin’izao io raha laviny kosa ny fandravana  ny governemanta. Tsy ny fanovana ny olona mantsy no olana, hoy hatrany izy fa ny fanovana ny fomba fitantanana ny firenena. Mikasika ny fampihavanam-pirenena izay hiarahan’izy dimy mianaka mirahalahy hotohizana rahampitso alarobia 13 Janoary indray dia mangataka ny tsy hanafenana izay rehetra mitranga ao anatin’izany i Lalatiana Ravololomanana. Anisan’ny nanaovany antso avo manokana ireo raiamandreny am-panahy eo anivon’ny FFKM. Aleo hangarahara ny zavatra rehefa hifampiresahana, hoy hatrany izy hisian’ny fahamarinana. Nomarihiny manokana moa fa ny antoko mpanohitra dia  manabe sy manomana ny vahoaka hiroso amin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika fa tsy manohitra be fahatany fotsiny amin’izao.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT