Actualités

Lalao Ravalomanana Sady raiamandreny no demokraty


  • Alarobia 07 Oktobra 2015

Ben’ny tanàna manana fahefana feno ankehitriny i Lalao Ravalomanana. Fombafomba fotsiny ihany ny famindran-draharaha nifanaovan’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo Ramiaramanana Joseph taminy omaly fa ny vahoaka no efa nanome fahefana azy taorian’ny latsa-bato natao ny zoma 31 jolay 2015,

 

 ary nohamafisin’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana tamin’ny 18 septambra 2015. Masina ny safidim-bahoaka, ny vahoaka rahateo no manome fahefana ny mpitondra. Fijoroana hiaro izay safidin’ny vahoaka no nahatongavan’i Lalao Ravalomanana tao amin’ny Lapan’ny tanàna hampahatsiahy tamin’ny olom-boatendry nampisahanina vonjimaika ny fampandehanan-draharaha tao fa sasa-miandry ny vahoaka, izay efa tena sahirana. Niandry ampitoniana ny fahavononan’ny PDS hanao famindran-draharaha i Lalao Ravalomanana, fa tsy nanao toy ny Ben’ny tanàna MAPAR ao Toamasina, Elysée Ratsiraka tsy nahandry tantana ka voatery haverina anio ny famindram-pahefana teo aminy sy ny PDS Toalina Zafindrabary natao tamin’ny 20 septambra 2015. Raha natao indray ny famindrampahefana dia nanasa ny mpifaninana taminy hanotrona izany ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Namaly ny antso i Harilala Ramanantsoa. Nanamafy izany ity farany tao amin’ny takelaka facebook  fa “Nasaina hanatrika ny passation ety amin’ny Hotel de Ville. Hilaina ny fiaraha-mientan'ny rehetra amin’ny fanarenana ny tanàna”. Nisy rahateo ny fihaonana manokana teo amin’ny roa tonta taorian’ny famindram-pahefana. Fihaonana tsy natrehin’ny mpanao gazety.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT