Actualités

Lalao Ravalomanana Nankahery sy nanampy ireo tra-doza


  • Zoma 28 Jona 2019

Nampahery ireo maratra sy ny fianakaviana manana havana namoy ny ainy, noho ny zava-nitranga tetsy Mahamasina ny takarivan’ny 26 jona ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra notarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky.

 

Noho ny zavatra mitranga amin’ny firenena noho ilay zava-niseho, mahatsiaro ho manana andraikitra ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, hoy izy. Nijery ireo olona tratry ny voina nanjo, ary nankahery ireo fianakaviana ihany koa satria fety no nandehanana kanefa zavatra hafa no nitranga. Amin’ny maha mpiray tanindrazana dia tsy maintsy mankahery azy ireo, hoy ny ben’ny tanàn’Antananarivo, izay nitondra izay voatsirambin’ny tànana ho an’ireo naratra. Ny androtry ny loza moa dia efa nisy ireo solontena avy amin’ny CUA nijery ifotony ny zava-nisy teny amin’ny hopitaly HJRA.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT