Actualités

Lalao Ravalomanana Miantso ny SAMVA mba handray ny andraikiny


  • Talata 20 Novambra 2018

Diso mivangongo loatra ny fako eto an-drenivohitra ankehitriny. Ankoatra ireo toerana ahitana dabam-pako izay feno maloto dia toerana maro tsy hampoizina toy ny eny Ampefiloha ambadiky ny tambohon’ny sekoly ambony ENS ihany koa no efa ahitana izany, mibahana eo amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra.

 

 Niantso ny SAMVA mba handray ny andraikiny ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana omaly. Efa nisy ny fanampiana nataon’ny kaominina tamin’ny SAMVA toy ny fanomezana fiarabe hanalana ireny fako mivangongo ireny saingy tsy hita  izay vokany. Toraka izany koa ny fanomezan’ny minisiteran’ny rano ity sampandraharaha  iray ity fiarabe  12 isa saingy tsy mbola hita ihany koa izay tohiny. Ny mahavariana dia mahita lazaina hatrany ny SAMVA hatreto ka miangona hatrany any amin’ny kaominina Antananarivo sy ny mpitantana ny rihitra. Asa na hiandry kamiao miisa 100 izy ireo vao hiasa na ahoana na manao fanahy iniana tsy mihetsika mihitsy.  Ambentin-tenin’ny SAMVA ny tsy fahampian’ny fitaovana hampiasaina toy ny fiarabe hitaomana ny fako teo aloha teo. Rehefa tonga anefa ny fiara dia nanambara izy ireo fa tsy maintsy mbola hamboarina ny taratasin’izy ireny hahafahany miasa eto amintsika ankoatra ny fanamafisana azy mba hahazaka ny asa tsy maintsy hataony isan’andro. Efa nandeha ihany koa teo aloha teo ny olana momba ny  tsy fisian’ny solika  sy ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa ka tsy hahafahan’ireny fiarabe ireny miasa ara-dalàna.  Andrasana izay mety ho andraikitra raisin’izy ireo manomboka izao. Miteraka aretina maro ny fiparitahan’ny fako eto an-drenivohitra tahaka izao, anisan’ireny ny aretina kitrotro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT