Nanao hafatra manokana miantefa amin’ny vehivavy mpiray tanindrazana ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana noho ny 8 marsa na tsy afaka nankalaza izany toy ny fanao isan-taona aza, noho ny andro ratsy.
Nambarany fa “Isika vehivavy no fitaratra sy miantoka ny fampandrosoana ny ankohonana sy ny Firenena ; Andraikitra goavana no sahanintsika eo amin’ny sehatra rehetra izay misy antsika , ka tokony miaraka amin’ny Finoana sy ny Fanantenana ary ny Fitiavana izany”. Nanamarika anefa ny Ben’ny tanàna fa “amin’izao vanimpotoana iainantsika izao, dia tsapa fa mbola misy ny tsy fanajana ny Zon’ny vehivavy amin’ny endriny maro, toy ny teritery sy ny sakatsakana samihafa”. Koa mampahery ny vehivavy tsy ankanavaka ny tenany “mba hanana finiavana hatrany, hiatrehana ny hoavy mendrika sy sahaza ary hahasoa ny rehetra”. Miombom-po amin’ireo mpiray tanindrazana rehetra niharan’ny fahavoazana tamin’izao fandalovan’ny rivodoza izao ihany koa ny Ben’ny tanàna ary miangavy ny mponin’Antananarivo, mba ho mailo hatrany amin’ny loza mety hitranga ary hanaraka tsara ny fepetra fanambarana loza izay homena koa henoy ny radio jereo ny televiziona, hoy izy hiarovana ny aina.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.